Mahabibo – Fanomezana ho fanitarana ny Fiangonana EKAR Md François Xavier
Ny Sabotsy sy ny Alahady teo, no nanaovana ireo lanonana telo sosona, izay notronin’ny Filoham-pirenena sy ny Praiministra ary ministra vitsivitsy tao amin’ny governemanta. Efa ela ny mponina no niandry ny fanavaozana, fa izao izy tanteraka soa aman-tsara izao ; naharitra telo volana teo ny asa ary anisan’ny nisongadina tamin’ny kabary nifandimbiasana ihany koa ny hanitarana ny fotodrafitrasa any amin’ny fokontany hafa, toy ny Labatoara sy Ambalavola ; izay hanomboka ny volana jona izao ny asa.
Namafisin’ireo tompon’andraikitra tany an-toerana, fa niova be tokoa ny tanàna rehefa tsara ny làlana no sady madio ihany koa. Efa an-dalam-panamboarana ihany koa ny eny amin’ny « Village Touristique » ka irariana ho vita afaka herinandro maromaro.
Ny Alahadin’ny Pentekosta , dia nofaranana tamin’ny Lamesa izay notarihin’ny Monsenera Rakotondrajao Roger Victor ka avy eo dia niroso tamin’ny fitokanana ny rihana tany ambony sy ny vato-soratra teo amin’ny lagroty. Efa namaly moa ny filoha amin’izay fanampiana hatao amin’ireo tanora mpizaika amin’ny JMJ izay hotontosaina ny volana septembre ho avy izao.
Alem