- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Maorisiana telo nitsoaka volan'ny hôtely

Mahajanga : Maorisiana telo nitsoaka volan’ny hôtely

Nitory ny hôtely. Ny antony dia noho ny fampiasan’ireto teratany vahiny ireto taratasim-bola tsy misy antoka mba nentina nandoavana ny lany nandritry ny fivahinianan’izy ireo tao amin’ity hôtely lehibe iray ao Mahajanga ity. Mazava ho azy fa miendrika fisolokiana ny zava-nitranga. Nandeha ny fikarohana rehefa nipetraka ny fitorian’ny tomponandraikitry ny hôtely. Avy tamin’izany no nahafantarana fa mivezivezy be ireto vahiny ireto, nisy nahita tany Ambanja izy ireo vao haingana. Azo heverina arak’izany fa efa fanaon’izy ireo ny misoloky volan’ny hôtely avy amin’ny alàlan’ny fampiasana « chèque sans provision ». Mitohy ny fitadiavana azy telo lahy ireo. Etsy ankilan’izany, tsikaritra fa betsaka indray ny hôtely izay nitsoahan’ny olona ny saran’ny lany teo anivony. Vao afakomaly koa no nisy toeram-pivahinianana izay nampandre ny fitsoahan’ny lehilahy iray ny volan’izy ireo. Tamin’io tranga io dia voasoloky hatramin’ny mpivarontena izay nalain’ilay olona. Hanim-pitoloha, zava-pisotro isan-karazany ary efitrano izay lafo. Izay no nalain’ilay lehilahy izay nitsoaka moramora nony avy eo ary tsy hita izay nanjavonany. Tavela irery tao anatin’ilay toerana ny olona niaraka taminy. Karohina koa io lehilahy io ankehitriny.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici