
Nizotra araka ny tokony ho izy avokoa ny lanonana rehetra teto Mahajanga nandritra ny fanokafana ny andron’ny sekoly tetsy amin’ny “collège normal” Mahabibo notarihan’ny talem-paritra ny fanabeazam-pirenena Boeny. Akory anefa ny hatairan’ny maro fa minitra vitsy talohan’ny hirosoana tamin’ny fiarahana miala hetaheta no nitambotsitra tampoka tao amin’ny efitra hanatanterahana izany ity farany. Raha ny fitantaran’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny sampandraharaha ao amin’ny DREN Boeny dia tsy narary ary tsy naninona mihitsy izy talohan’ny fety. Tampoka teo anefa dia nilaza ho fanina tampoka koa izy ka nitady rano, teo dia nitambotsitra ka tsy nahatsiaro tena intsony. Nentina avy hatrany novonjena teny amin’ny hopitaly be Androva izy avy eo, saingy tsy tana intsony ny ainy na dia nanao izay ho afany aza ireo mpitsabo rehetra. Voalaza tamin’izay ary nohamarinin’ireo mpitsabo fa fijanonan’ny fo tampoka no nahazo azy, ka minitra vitsy aorian’izay ihany no fahazakan’ny vatan’ny zanakolombelona io tranga io. Araka ny vaovao sy fanazavana re tetsy ankilany indray dia, nisy fifandirana kely teo amin’ireo samy tompon’andraikitra nialoha ny fanatanterahana ny fanamarihana. Nisy tsy fifankahazoana tamin’ny fikarakarana natao, na dia tontosa hatramin’ny farany ihany aza izany. Teo dia efa naneho ny fahatezerany ny talem-paritra ka somary nampiaka-peo tamin’ireo mpiara-miasa tany ambadika mba hisian’ny fanarenana. Mbola afaka nikabary soa aman-tsara ihany izy taorian’io tokony ho tamin’ny 11 ora sy fahefany teo, saingy tsy voatanany loatra ny hatezerany. Teo amin’ny faha-56 taonany izy izao nindaosin’ny fahafatesana tampoka izao. Avy any amin’ny faritra Melaky no fiaviany. Namela mananontena iray, zanaka vavy tokana ary zafikely telo lahy izy. Telo taona handray efatra amin’ity 2017 ity no nitantanany ny tontolon’ny fanabeazam-pirenena eto Boeny, taorian’ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ny tale teo aloha Zaraniaina Tohanaina Erneste. Betsaka tokoa ny zava-bitany tamin’ireo distrika maro eto Boeny. Mbola betsaka ihany koa ny nokasainy sy ny vina napetrany, saingy ny fotoana tsy mifametra, ka dia izao very olo-manga izao ny eto amin’ny faritra. Mpanolotsaina avo tao amin’ny tetezamita izy talohan’ny nandraisany io adidy goavana eo amin’ny totonlon’ny fanabeazam-pirenena malagasy io. Tantely Vandriam