- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : MD ireo mpibizna vary simba

Mahajanga : MD ireo mpibizna vary simba

Nidoboka am-ponja avokoa ireo olona fito voarohirohy tamin’ny fanodinana vary efa simba tao Mahajanga. Omaly ihany koa dia notanterahina ny fanagiazana ireo vary ireo ary tonga teo ny manam-pahefana mifanandrify amin’izany asam-panjakana izany. Isan’izany ny zandarimaria sy ny talem-paritry ny minisiteran’ny varotra. Nogiazana ny milina nampiasiana tamin’ny fanodinana vary. Izany dia ankoatra ny fiara dimy nasiana ireo vary efa an’arivony gony, izay saika hotaterina ka haparitaka. Navoaka ary nafindra tamin’ny toerana lehibe iray ireo vary ireo ka tsy azo ahetsika intsony, mandra-pisian’ny didy handorana azy. Raha tsiahivina dia vary efa simba no saika mbola hamidy etsy sy eroa indray rehefa tsofina amin’ny milina ka soloina vaovao ny gony misy azy. Ireo no sarona tao amin’ny fitoeran’entana lehibe iray tao Mahajanga. Ny tranga toa itony dia mendrika ny famaizana mafy, ary ao anatin’ny lalàna famaizana rahateo ny fanapoizinana. Indrindra koa olona an’arivony na aman’alina mihitsy aza no saika hanjifa ireo vary simba ireo raha toa ka niparitaka teny amin’ny tsena. Fanapoizinana ny mpiara-belona sy ny mpiray tanindrazana raha jerena amin’ny fo tsy miangatra izany. Amin’izay indray dia mbola misy soratra tsara tarehy “Vary Tsara” ihany ny eo ivelan’ny gony, kanefa vary poizina ny ao anatiny. Nampihetsi-po ny mpanara-baovao ity raharaha ity ary betsaka ny manara-maso akaiky izany mba ho fiarovana ny aina, satria loza mitatao ho an’ny maro tokoa izany raha niparitaka. Etsy ankilan’izany, betsaka no mahita fa mila hamafisina ny fanaraha-maso ny entana amidy eny an-tsena mba ho fitandrovana ny fahasalaman’ny mpanjifa, indrindra momba ireny foto-tsakafo ireny.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici