- Publicité -
samedi, janvier 31, 2026
AccueilFaits-DiversMahajanga : Miray tsikombakomba amin’ireo mpitondra bajaj ny mpanendaka

Mahajanga : Miray tsikombakomba amin’ireo mpitondra bajaj ny mpanendaka

« Mivoatra hatrany ny fomba fanaon’ireo olon-dratsy amin’ny halatra sy fanendahana ataony. Raha ny hita tao Mahajanga dia miray tsikombakomba amin’ny mpitondra bajaj ireo mpanendaka » araka ny fampitam-baovao nataon’ny pôlisy. Efa maro ireo fitarainana tonga teny anivon’ny mpitandro filaminana sy ny mandeha eny amin’ny tambajotra sosialy mahakasika ity tranga fanendahana anaty bajaj ao an-drenivohitr’i Boina ity.
Efa nametraka paikady ny pôlisy ary nisy sahady ny vokatra. Ny herinandro lasa teo, telolahy, izay fantatra fa isan’ireo raindahiny amin’ity resaka fanendahana ity no voasambotry ny pôlisy ary nadoboka am-ponja vonjimaika.
Tsy mijanona hatreo moa ny famotorana, ny fikarohana ary ny fitsongoana dia ireto tontakely ireto fa mitohy hatrany. Matetika mantsy dia mitovy hatrany ny teti-dratsin-dry zalahy : « mody mandray bajaj tahaka ny mpandeha rehetra ilay mpanendaka ka rehefa azony izay entana angalariny, toy ny poketra sy finday dia mandositra ilay olon-dratsy ary manamora izany fandosirany izany ilay mpamily bajaj » araka ny vaovao hatrany. Eo anoloahan’izay dia miantso ny rehetra mba ho mailo hatrany ny mpitandro filaminana ary tsy hatahotra ny ny hampilaza sy hampandre azy ireo raha misy tranga mampiahiahy.
m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter