- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Mirongatra ny fanendahana sy ny vaky trano

Mahajanga : Mirongatra ny fanendahana sy ny vaky trano

Jiolahy efatra no tratran’ny polisy ao Mahanjanga , tamin’ny sabotsy teo. Ny iray voalohany, mpamaky trano, lehilahy tokony ho  23 tao eo ho eo. Teny Ambalavola izy no nanao ny asa ratsiny. Tsy nandeha irery ity jiolahy ity, fa niaraka tamin’ny namany maromaro. Izy ihany anefa aloha no tratra tamin’ity zavatra ity. Rehefa voasambotra ny anao lahy, dia nosavaina ny tranony ary hita tao ny zavatra halatra rehetra : toy ny finday, ordinatera, fahitalavitra ary lamba maro tao anaty valizy. Tamin’ny famotorana azy no nahafantarana, fa tena mpangalatra tokoa izy io. Ny sabotsy maraina no tratra ity mpamaky trano ity.

Tsy nijanona teo ny asan’ny polisy tao Mahajanga. Io andro io ihany, tokony ho tany amin’ny 11 ora alina, nisy lehilahy roa nendahan’ny jiolahy efatra, teny Tsararano Ambany.  Voalazan’ny vaovao voaray avy any an-toerana, fa nanohitra ny olona iray satria dia samy nanana antsy na ny olon-dratsy na ilay voaendaka. Farany moa, nivoaka ny olona tao an-tanàna nizaha ny zava-nisy ary dia tratra ny telo tamin’ireo efatra. Tsy niandry ny mponina fa avy hatrany dia raikitra ny fitsaram-bahoaka, ka ny roa no tena voa mafy ary mbola tsaboina any amin’ny hopitaly amin’izao fotoana izao. Soa, hoy hatrany ny vaovao fa nahazo antso ny polisy ka tonga vetivety teny an-toerana ary afaka nanakana ny olona tsy hamono ireo mpanendaka. Rehefa natao ny fanadihadiana, dia fantatra fa ny iray dia olona vao nivoaka ny fonja roa andro lasa izay. Rehefa tratra moa ireto mpandendaka ireto, dia nampanantsoina ny havany sy ny ray aman-dreniny. Voalaza fa tsy te hahalala ny zavatra nataon’ny zanany izy ireo ary namela malalaka ny mpitandro filaminana nanao ny asany ara-dàlana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici