Mampitaintaina ny maro ny fisin’io aretina io eto an-toerana amin’izao fotoana izao. Raha midina eny anivon’ny fokontany dia saika io aretina tazo io avokoa amin’izao no mahazo ny maro. Vitsy anefa no mba manatona tombim-pahasalamana ahafantarana ny tena mahazo azy marina.
Ho an’ny fokontany Antanimalandy, Ambohimandamina sy Sotema, no tena betsaka ireo mitaraina noho io aretina io. Avy hatrany mantsy dia mandamaka am-pandrina izay voany. Manomboka amin’ilay hoe mahatsiaro mangatsika nefa mafana eto an-tanàna, manakotsako ny vanin-taolana rehetra, malain-komana, mandoa ary fanina. Mifindra vetivety ilay aretina raha ny nambara, vao ny iray mantsy no voa dia marary avokoa ny ao an-trano.
Ho an’ny tobim-pahasalamana iray izay tsy miankina eny amin’iny faritra iny, raha roanjato isa ireo marary tonga ao amin’izy ireo anatin’ny andro iray, ny antasamanila amin’izay dia saika io tazo mahery io avokoa. Aretina tsy mifidy fa tratrany avokoa na ny lehibe na ny ankizy.
Efa misy ihany ireo fanafody entin’ireo mpitsabo hitsaboana ity aretina ity eto Mahajanga ity. Vanim-potoanan’ny valan’aretina rahateo izao ary efa miomana amin’izany ny maro. Hatreto aloha tsy mbola nisy filazana ofisialy hoe nahafaty olona na tsia io aretina io. Fanentanana ny rehetra amin’ny fiarovana tokony hatao no notanterahin’ny avy ao amin’ny foibem-paritry ny fahasalamam-bahoaka eto an-toerana eny anivon’ny haino aman-jery, indrindra fa ny amin’ny tazomoka.
Raha ny zavatra tsikaritra, hoy ny mpitsabo iray, dia ilay fandoavana sy fahalainan-koman’ilay olona no tena miteraka faharerana ho an’ilay marary. Vantany vao ampidirana “sérum” anefa izy ireo ampanarahana ireo fanafody tokony hohanina rehetra dia mahazo aina. Noho izany, tsy tokony hatao hampihorohoro be loatra akory ny fisian’io aretina io fa ny fitandremana no atao betsaka, sy ny fanarahana ny toromariky ny mpitsabo raha toa ka voany.
Tantely Vandriam