- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Môtô nandona « poteau », namoy ny ainy ny ben’ny...

Mahajanga : Môtô nandona « poteau », namoy ny ainy ny ben’ny tananan’i Mitsinjo

Namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao an-drenivohitr’i Boina tao ny ben’ny tananan’i kaominina Mitsinjo, Atoa Vitalahy Adrien, ny alin’ny alahady teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia nitaingina kodiaran-droa ity olom-boafidy ity tamin’io alina io, niaraka tamina olona iray. Tsy fantatra anefa izay niseho fa tsy voatana intsony ny familiana ilay kodiaran-droa ary dia namarana ny lalany teny amina andrin-jiro iray tao an-toerana ity farany. Vokany, maty tsy tra-drano ity Ben’ny tanana ity, raha naratra mafy sy mbola manaraka fitsaboana kosa ilay niaraka taminy, izay mpiara-miasa aminy ihany. Raha ny vaovao azo dia nandeha namonjy an-janany izay manaraka fitsaboana ao Mahajanga ity olom-boafidy mamy hoditra tamin’ny vahoaka ity kanjo dia izao nindaosin’ny fahafatesana tampoka izao. Nisy avy hatrany moa ny fijerena ifotony sy ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana mahakasika ity loza ity. Nandray an-tanana ny fikarakarana ny razana sy fampodiana azy any Mitsinjo kosa ireo tompon’andraikitra ara-panjakana tany an-toerana, ka anisan’izany ny teo anivon’ny Faritra sy ny prefektiora. Marihana fa namela mananon-tena sy kamboty valo mianadahy Itompokolahy.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici