Vehivavy iray niaraka tamin’ny zanany, mpanao vakansy avy aty Andrenivohitra, any amin’iny renivohitr’i Boina iny, no lasibatry ny asan-jiolahy, ny alarobia hariva teo. Vokany, naratra mafy voadarok’ireo olon-dratsy izy mianaka. Lasa kosa ny: solosaina fentin-tanana, fakan-tsary, ary paoketra misy antontan-taratasy sy vola maromaro. Mafana ny an-toerana amin’izao ary vitsy ireo mivoaka amin’ny antoandro. Maro ny mahafantatra fa, amin’ny hariva vao tena mandehandeha ny rehetra. Mbola maro ihany koa ireo mpanao vakansy misafidy ity renivohitr’I Boina ity, noho ny ao amin’ny faritra Atsinanana, izay malaza ratsy amin’ny resaka tsy fandriampahalemana. Kanefa dia efa izao tonga any izao izany. Tokony ho tamin’ny fito hariva mantsy no sendra an’ireo tontakely, izay nisy teo amin’ny efa-dahy teo, izy mianaka ireto, raha saika mba hivoaka handehandeha. Nirongo fitaovam-piadiana ireo olon-dratsy raha ny fampitam-baovao azo. Ary tsy nisalasala mihitsy nanakana ireo vehivavy roa. Tsy vitan’ny hoe naka izay azo anefa, fa mbola nodarohan’izy ireo tsy nanany antra ireto mpianaka mpanao vakansy ireto. Naratra mafy vokatr’izany, raha ny vaovao hatrany. Nitsoaka kosa tetsy an-danin’izany ireo jiolahy rehefa nahazo izay nilainy. Olona sendra nandalo no nahita ary nitondra azy ireo ho any amin’ny tobim-pahasalamana. Efa mandeha ny famotorana raha ny fantatra. Tranga iray tokony hampitandrina sy hahamailo hatrany ireo mpandeha vakansy ka hisafidy iny tapany avaratra iny izao.
m.L