Trangam-piarahamonina hafakely tsy dia fahita matetika na faheno firy no niseho tao amin’ny Fokontany Aranta, ao Mahajanga tampon-tanàna, omaly naraina tokony ho tamin’ny 7 ora, satria fatina tovolahy iray sahabo ho 30 taona eo, voalaza fa mpangalatra namono tena natahotra fitsaram-bahoaka nitsoraka tao anaty ranomasina, no nobatain’ny fokonolona avy ao anaty rano. Nikasa hamaky tranon’olona iray tao amin’io fokontany io ity tovolahy ity, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia teo tokony ho tamin’ny telo ora naraina kanjo nisy nahatsikaritra ny asa ratsiny, ka raikitra ny antso vonjy sy antsoantso hoe : « mpangalatra ». Nitsoaka nanavotra aina ity mpangalatra, ka nitsambina niafina tao anaty rano, dia tany no tsy hita. Nifanandrify indrindra tamin’ny fotoana fiakaran’ny ranomasina no nitrangan’ny zava-nisy ka nilentika ary tsy nipoitra intsony ity tovolahy. Efa ny fatiny natsingevan’ny rano no hitan’ireo Fokonolona ny maraina mazava andro, ary nomarihan’ny tati-baovao azo avy any an-toerana fa miorina amin’ny toerana misy rano nototofana manamorona ranomasina ny ankabeazan’ny trano ao Aranta.
Eric Manitrisa