- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Mpianaka mpiandry osy, maty main’ny herinaratra

Mahajanga : Mpianaka mpiandry osy, maty main’ny herinaratra

Tranga nahavalalanina ny maro no niseho tao amin’ny Fokontany Sotema akaikin’ny garan-tsarety, tampon-tanànan’i Mahajanga, afak’omaly, tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany tolakandro. Olona mianaka izay tovolahy kely 6 taona monja, raha 39 taona kosa ilay rainy no niara-maty main’ny herinaratra tao amin’ny tokotanin’ny mpifanila vodirindrina taminy rehefa namoaka ny biby fiompiny (osy) tafiditra tao. Raha ny filazan’ny Fokonolona teny an-toerana, dia tafiditra tao anatin’ny tokontanin’ilay mpifanila vorindrina taminy ny osy, ka niditra tao ilay zaza naka ilay biby fiompiny, kanjo niraikitra tamin’ny « fil » nisy herinaratra. Nikiakiaka nitomany ilay zaza hitan’ny namany fa misy zavatra mitselatselatra ao amin’ny tendany, ka niantso avy hatrany ilay rainy. Nikoropoka avy hatrany hanavotra an-janany ity raim-pianakaviana, kanjo niara-niraikitra teo amin’ ilay « fil » izy mianaka ka niantsoantso vonjeo.

Nitangorona ny Fokonolona ka nampandre avy hatrany ny tao amin’ny trano nisy ilay herinaratra, fa hoe : vonoy ny « compteur » nareo ao fa misy zava-doza io, saingy tsy niraika akory ilay vehivavy lehibe voalaza fa tompon’ ilay trano, ka vatan-dehilahy vitsivitsy arak’ izany no niezaka nanifika ilay « fil » tamin’ny hazo lava hanavotana azy mianaka izay efa nitolefika, ary nentina avy hatrany namonjy toeram-pitsaboana tsy lavitra teo ireto mpianaka  tra-doza, saingy efa tapitra ny ainy raha vantany vao tafiditra tao. Araka ny fanazavan’ny Fokonolona hatrany, misy sakoamanga maniry ao an-tokotanin’ ity nahitan-doza ity, ka ho fiarovany io voankazo io amin’ny mpangalatra dia nohodidininy « fil » misy herinaratra ny tokotaniny sy ny fototr’ io sakoamanga io. Omaly naraina, tonga teny an-toerana nizaha sy nanadihady ny zavanisy ny BMH sy ny avy amin’ny orinasa Jirama ary ny mpitandro ny filaminana. Ny razana kosa efa eo ampelantanan’ny fianakaviany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici