Raikitra ny sakoroka tany amin’ny oniversite any Mahajanga. Vokatr’izany, mpianatra miisa 13 no naratra ary teo amin’ny mpitandro filamina nahitana 12. Omaly maraina no niseho ity sakoroka ity. Teo amin’ny andaniny, mpianantra izay nitaky zavatra telo loha lehiba : ny trano hipetrahan’izy ireo, ny famerenana ireo namany noroahina tsy hianantra intsony ary ny fampidirana “gardien” tsotra ao amin’ny oniversité. Nanao valan-dresaka teny amin’ny Toby Ratsimandrava, kosa omaly ny tompon’andrikitra volaohany amin’ny fandriampahemana any Mahanjanga. Tamin’izany no nilazany ny zavatra niseho tany amin’ny renivohitr’i Boina. Voatery tsy maintsy nampiasa bala tena izy ny mpitandro filaminana ho fiarovana ny ainy, hoy izy. Marobe tokoa ireo mpiannatra nandrangaranga sora-baventy teo amin’ny oniversité. Talohan’izao, efa nisy ny fidianana an-dalam-be nataon’ireo mpianatra ireo. Omaly maraina tamin’ ny 6 ora dia nisy ny fihetsiketsehana teny amin’ny Campus Ambondrona, nanidy ny vavahady mba tsy hahafahan’ny mpianatra sy ny mpiasa miditra ao. Nanao akanjo mitovy avokoa izy ireo. Efa nisy ny fifampidinihana tamin’ireo andiany voakasik’ity zavatra ity. Efa nidina any an-toerana ihany koa ny ministry fampianarana ambony.
r.s.