- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahajanga : Mpianatra 2 maty natelin’ny rano teny amin’ny « Grand Pavois...

Mahajanga : Mpianatra 2 maty natelin’ny rano teny amin’ny « Grand Pavois »

Tovolahy iray 20 taona eo ho eo, kilasy famaranana ao amin’ny lycée Philibert Tsiranana, sy tovovavy iray 15 taona, no samy dobo an-drano teny amin’ny « grand pavois » ny asabotsy folakandro teo. Io andro io mantsy no nifampitaonan’ireo mpianatra rehetra teto Mahajanga nanao fitsangantsanganana mialoha ny paska. Raha ny fitantaran’ireo namany dia tamin’ny fotoana efa avy nisakafo iny izy ireo no tratran’io loza io. Niakatra mantsy ny rano, na ilay atao hoe « samonta », ka mahery vaika ary misintona mihitsy. Tamin’io fotoana io moa mbola niezaka ireo mpianatra namany nitondra azy ireo teny amin’ny hopitaly be eny Androva, saingy tsy avotra intsony ny ainy.

Fa ankoatra an’io, nitelina zaza iray ihany koa tamin’ny herinandro teo, ny teny amin’ny “village touristique”. Zaza 5 lahy avy nilalao baolina teny amin’ny “gradin” Mahavoky no nilomano teny. Avy eo samy dobo avokoa izy rehetra saingy nisy nahita ary nisy nanavotra ary ny iray ihany no tsy avotra. Teo ihany moa dia nanomboka ny fikarohana ny razana ka adiny enina taty aoriana vao hita izany.

Ny vanim-potoanan’ny fety tahaka izao no tena tokony hitandremana indrindra rehefa mandeha eny amin’ny ranomasina. Misy fomba fiteny mantsy manao hoe : « tsy ilaozan’ny tsy haka ho azy izy satria fety ny andro ». Noho io, tokony hajaina ny fomban-tany, fadina fatratra ny mitondra sakafo misy kisoa ary malina hatrany any anaty rano.

Tantely Vandriam

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser