- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Nahitam-bokany ny fikarohana ireo mpangalatra moto

Mahajanga : Nahitam-bokany ny fikarohana ireo mpangalatra moto

Nirongatra tao ho ao izay ny halatra moto teto Mahajanga. Saika isan-kerinando dia misy mametraka fitarainana foana eny anivon’ireo birao ny mpitandro ny filaminana ireny. Nanomboka ny volana Novambra sy Desambra teo iny no tena niparitaka izy io. Ireo moto mipetraka eny amin’ny sisiny no tena lasibatra, eny fa na dia mihidy tsara amin’ny andro mazava aza dia mbola ahitan’izy ireo hirika hangalarana aza. Izy ireo raha toa efa manana fanalahidy maro entina manao ny fangalarana. Ankoatran’io ny vaky trano izay matetika ahenoana moto very.

Tranga iray no niseho tamin’iny krismasy lasa teo iny. Fianakavina iray nitsangatsangana teny amin’ny “bord” no lasibatra. Rehefa napetraka teo amin’ny Alliance française, izay toerana nataon’ny kaominina ho fametrahana ireo fiara nandritra ny fety ilay moto dia nidina tsara ary lasa nandeha ny tompony. Tsy niala lavitra teo akory anefa fa vao niverina ilay ankizy lahy nitondra azy nijery ilay moto dia efa tsy teo intsony izany. Ny ampitso ihany dia nametraka fitarainana izy ireo teny amin’ny mpitandro ny filaminana.Tapabolana taty aorina, raha sendra samy nampiditra solika tamin’ny toby iray teo Mahajanga be ilay nangalatra sy ny tompony dia fantany avy hatrany ilay moto na dia efa niova loko aza. Teo ihany dia raikitra ny fifanenjehana ka tany amin’iny lalana mankany amin’ny oniversite iny vao navotsotr’ilay mpangalatra ilay moto. Izy kosa nandositra niakatra bajaj. Nisy nahafantatra anefa ny tranony teny Tasararano ka tany no nisamboran’ireo mpitandro ny filaminana azy.

Roa lahy no tratra tamin’ity indray mitoraka ity. Ny iray no tena nanao ny teti-dratsy fa ilay iray kosa no nitondra. Mbola misy iray ihany koa karohina amin’izao izay nambara fa efa mpanao io halatra moto io eto Mahajanga. Fomba maro no anatanterahan’ireo mpanao ratsy io halatra moto io ankehitriny  ka tokony samy ho mailo hatrany ny rehetra. Vao azon’izy ireo fotsiny ilay moto dia voarava avy hatrany na miova endrika itadiavana mpividy. Ny mpividy koa anefa izay tsiahivina fa raha ny voalazan’ny lalàna dia isan’ny mpangalatra raha mahafantatra nefa tsy mitoroka.

Tantely Vandriam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici