Tifitra basy in-telo be izao no nahavoa ilay jama iray, naratra mafy ka voatery nampakarina taty Mahajanga. Ny Alatsinainy lasa teo no niseho io tranga io, tamina tanàna iray atao hoe Ankadirano. Faritra avaratra andrefan’i Maevatanana no misy azy. Dahalo sivy lahy nirongo basy no niara-niditra tao amin’io tanàna io. Nampaneno kiririoka niaraka tamina fandrangarangana basy. Na teo anefa aza izany, nandroso nifanehitra tamin’izy ireo, ireo jama niandry tanàna. Antsy be sy hazo no mba fitaovam-piadina teny aminy. Tsy naharesy tosika ireo dahalo ireto farany, ny tifitra raha teo efa nandeha ka nahavoa ny iray tamin’izy ireo. Ratra madinidinika kosa no nahazo ireo namany hafa. Ny hany azo sisa natao, dia ny nandositra niafina tamin’ireo trano teny amin’ny manodidina. Nandritra io idrindra no nandraofan’ireo dahalo ny omby tao an-tanàna. Omby 16 no lasa, niaraka tamin’ny volamena izay mba tahirin’ireo mponina. Raim-pianakaviana iray ihany koa no nentin’izy ireo nanaraka azy. Voadaroka tao amin’ny hatony no mbola novelesina vody basy, saingy efa naverin’izy ireo tao an-tanàna ny ampitson’io ihany. Sarety no nitondrana ireo naratra namonjy tanàna ho- tsaboina tao Mangabe, niala avy tany Ankadirano. Ilay voatifitra in-telo tamin’ny vatany kosa voatery nalefa namonjy fandidiana aty Mahajanga. Ary mbola tsaboina ao amin’ny Hopitaly Loterana amin’izao fotoana, satria mbola misy bala tavela ao amin’ny tànany sy ny tongony.
Tantely Vandriam