- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Nisy nikasa hanaparitaka vola sandoka nitentina 16 tapitrisa ariary

Mahajanga : Nisy nikasa hanaparitaka vola sandoka nitentina 16 tapitrisa ariary

Tovolahy vao 28 taona avy any Sofia no nitondra io vola sandoka io. Avy any Befandriana izy no nikasa hanakalo ireo vola ho tena izy teto Mahajanga. Olona tsara sitrapo no nahazoana ny vaovao. Nanaovan’ireo polisim-pirenena vela-pandrika ka teny amin’ny tsenan’i Mahabibo no nahatrarana azy.  Ny alarobia 7 novambra teo no tra-tehaky ny polisy ilay tovolahy, andron’ny fifidianana io. Noheveriny fa variana tany amin’ny fiambenana ny fifidianana avokoa ireo mpitandro ny filaminana ka sahiny ny niriaria niaraka tamin’ilay volabe sandoka. Soa fa nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny fahazoana io vaovao marim-pototra io ka nahafahana nisambotra azy avy hatrany. Mahavoasazy ary mahavoaheloka mandra-pahafaty ny fanaovana vola sandoka tahaka izao. Vola sandoka  1064 no natontany. 676 ny vola 20.000 ar vaovao, 59 vola 10.000 ar taloha, 221 vola 10.000 ar taloha, 58 ny vola 5.000 ar ary 25 ny isan’ny vola 2.000 ar. Tsy misy valaka amin’ilay tena izy io vola io, saingy ny ahafantarana azy dia izy tsy misy ilay faritra mangirana no tsy ahitana ilay sarina omby raha toa ka tarafina.
Tantely Vandriam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici