- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Nosamborin’ireo mpitandro ny filaminana i Marc Tatandraza fa mitondra korontana

Mahajanga : Nosamborin’ireo mpitandro ny filaminana i Marc Tatandraza fa mitondra korontana

tatandrazaNakatona avy hatrany ny fiangonan’i Marc Tatandraza, ilay dahalo sy ombiasy ary mpamosavy niova fo, eto Mahajanga. Ilay apostoly ambasadaoron’ ny lanitra nilaza fa hitondra ny fanjakam-pisorona eto Madagasikara. Ka i Davida kely izay ilay sefo fokontany taloha tao Amborovy antsoina hoe « Maitre Sanga » no hitondra ny firenena. Taorin’ny fisamborana azy, navoaka tao avokoa ireo mpino rehetra nasaina niverina nody amin’ny tany niaviny avy.  Misy tamin’izy ireo mantsy no avy any Mandritsara, Antananarivo, Amboromalandy sy amin’ireo faritra manodidina.

Tamin’ny 8 ora maraina teo no nanomboka ny savorovo teto amin’ny tobin’izy ireo teto Antanimasaja. Raha toa ka efa raikitra ihany koa ny torabato hatramin’ny omaly izay naharatrana olona maro. Efa teto an-toerana avokoa ireo mpitandro ny filaminana. Raha ny nambara dia nikasa ny haka sy hisambotra ireo lohandohan’ny mpiangonana izy ireo halaina  ambavany tany amin’ny toby ny mpitandro ny filaminana, saingy nandà mafy ireo mpino fa tsy handeha n’inon’inona mitranga.

Andro maromaro izay lasa miteraka resabe eto Mahajanga ity fiangonana ity. Indrindra fa eny anivon’ny fiarahamonina. Betsaka no milaza fa mahatonga kotaba, mitondra korontana ary mitondra fisaraham-bazana mihitsy aza eny anivon’ny fianakavina. Misy lalàna mantsy ao amin’izy ireo fa tsy maintsy amidy avokoa ny fananana rehetra, satria azo tamin’ny ratsy. Ny vola rehetra azo avy eo atolotra atao sorona ho an’Andriamanitra. Tamin’ireo mpino, misy no efa nivarotra ny tranony, ny fiarany, ny môtôny eny fa hatramin’ny tranombarotrany mihitsy aza. Farany izao nipetraka eto amin’ny toby izao.

Ora vitsy taorin’ny fifanatonana, nanaiky ihany ireo lohandohan’ny mpisorona ny hanaraka an’ireo mpitandro ny filaminana. Telo lahy izy ireo no nanatona, dia ny: apositoly Sanga sy Clerment ary ilay iray nolazaina fa hoe Tatandraza, saingy tsy izy akory. Io avy eo no niteraka korontana be teo amin’ireo vahoaka nanatrika. Niverina ireo mpitandro ny filaminana namotopototra tsara ny tena marina, ka nahatonga azy ireo nanapa-kevitra ny haka taratasy hahafahana misava ny trano avy amin’ny tribonaly.

Tamin’io nivory tsy ara-potoana avy hatrany ireo manampahefana rehetra teto an-toerana. Taorin’io fivorina io vao nivoaka ilay taratasy fahazon-dalana hisava ny trano. Tokony tamin’ny 12 ora mahery teo no niditra an-tsehatra ireo miaramila nisambotra azy ary dia hita soa amantsara tao an-toerana i Marc Tatandraza. Teo ihany izy dia nentina nofotorana teny amin’ny tobin’ ny zandarimariam-pirenena.  Ireo mpino kosa, ny sasany nanolotena ny hanaraka ny dadan’izy ireo any amin’ny toerana misy azy na hatrany amponja aza. Ireo hafa nalain’ny havany na dia nanohitra izany noho ny hery hafahafa ao anatiny ary ny ankamaroany indray nifindra toerana niala ilay tanàna, satria tsy hita intsony izay haleha, ny fananana anefa ritra tapitra namidy avokoa.

Tantely Vandriam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser