- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Olona telo tratra nangalatra lakroam-pasana

Mahajanga : Olona telo tratra nangalatra lakroam-pasana

Ny herinandro lasa teo dia olona telo no voasambotra, voarohirohy tamina resaka fangalàrana lakroam-pasana vita amin’ny vy.  Ny iray tamin’ireo no mpanao ny asa ratsy manongotra izany ary ny roa tamin’izany kosa no voalaza fa mpividy sy mpandray ireo vy azo.

Eto amintsika dia tsy natao handry am-piadanana intsony ny maty. Rehefa tsy ny taolambalon’izy ireo mantsy no misy maka, izay mbola mistery hatramin’izany ny hilàna azy, dia ny toerana misy ireo maty indray no ataon’ireo olon-dratsy fitadiavam-bola. Tsikaritra mantsy tato ho ato izay, hoy ny fampitam-baovao azo fa saika tsy nisy lakroa intsony ny sasantsany amin’ireo fasana, amina faritra iray tao an-drenivohitr’i Boina tao. Mazàna dia ireo lakroa vita tefy natao tamin’ny vy ireo nanjavona sy nisy nanongotra ireo. Nisy avy hatrany ny fitarainana natao teny anivon’ny mpitandro filaminana ary niroso tamin’ny fikarohana ireo olon-dratsy ireto farany. Ny fokonolona ihany koa tetsy an-danin’izay dia nametraka mpiambina ka tamin’izay no nahatratrarana olona iray izay somokotra tokoa teo am-panongotana izany lakroam-pasana izany. Nosamborina avy hatrany io ary nentina natao fanadihadiana. Tany no nanondroany ireo namany, izay mpiray tsikombakomba aminy. Niisa roa izy ireo ka nosamborina ihany koa. Natolotra ny Fampanoavana avy hatrany tany an-toerana moa ireo olon-dratsy ireto ary nadoboka am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsaràna.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici