- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversMahajanga : Polisy nisy nitory

Mahajanga : Polisy nisy nitory

Nisy lozam-pifamoivoizana nitarika fahafatesan’ilay olona voadona tao Mahajanga ny desambra lasa teo. Polisy nitaingina moto no nifaoka ramatoa iray efa lehibe. Ankehitriny dia namerina nametraka ny fitoriana eny anivon’ny fitsarana ny fianakavian’ny maty, satria raha ny filazan’izy ireo dia manahy kiantranoantrano tamin’ny fikirakirana ny dosie izy ireo. « Tsy mba nisy fotoana nitazomana kely ilay mpitandro ny filaminana ary tsy mba nisy fanomezana avy any aminy mba nentina  nampihenana ny fahoriana. Izany rehetra izany no nahatonga anay namerina nitory indray, mba tsy ho matimaty foana ny havanay”,  hoy izy ireo manazava.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser