Amin’ny faha 7 may indray ny fotoana manaraka. Fotoana izay voatondro fa hitsarana azy efa-dahy ireo. Nahazo fahafahana vonjimaika aloha izany izy ireo omaly nandritra ny fotoana nihainona azy ireo tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany teto Mahajanga be.
Nafana ny raharaha teto Mahajanga. Vao maraina dia efa betsaka ireo fokonolona tonga teto amin’ny manoloana ny fitsarana, hijery izay zava-kitranga. Nandeha mantsy ny feo fa hisy fahagagana hiseho mandritra ny fotoana hitazonana azy ireo ao amin’ny fitsarana. Ora maromaro nifanesy, ny tapany hariva ihany vao voaray ireto mpivavaka miaraka amin’ny ambasadaoron’ny lanitra ireto. Nialoha an’io anefa, nisy ihany ny sakoroka madinidinika. Toy ny fifandonana teo amin’izy 4 mirahalahy sy ireo mpitandro ny filaminana niandry azy ireo. Vantany vao nametahana rojo vy mantsy ny tanan’izy 4 dia namaly tamin’ny heriny manontolo izy ireo, ary niantso hoe : “amin’ny anaran’ny Jesosy”. Hany ka teo no raikitra ny fifanolanana izay niafara tamin’ny fikasin-tanana azy ireo, izay vao nilamina ny raharaha.
Rehefa nandeha ny famotorana nataon’ny mpitsara an’izy 4 nandritra ny fotoana maharitra. Niafara tamin’ny fifanarahana ihany izany avy teo. Ka samy namonjy ny fodiany avokoa ireo mpivavaka sy ireo mpitory. Ny tonia mpampanoa lalàna kosa nanazava tamin’ny mpanao gazety ny fandehan-draharaha. Izay nanambarany fa efa nisy ny fanapahan-kevitra noraisina. Misy ny zavatra hanenjehana azy ka any ivelany no miandry ny fotoam-pitsarana izy ireo. Mbola miandry azy ireo, araka izany, ny fitoriana nantaon’ireo olona naratra nandritra ilay sakoroka teny Antanimasaja ny herinandro lasa teo. Mbola eo koa ny momba ilay fitazonana zava-maranitra teny an-toerana sy ireo hafa. Notsindrin’io tonia mpampanoa lalàna io teto fa raha toa ka misy ny fihoaram-pefy dia zavatra hafa mihitsy no hiseho, satria tanàna misy lalàna i Mahajanga. Nomarihany fa malalaka ny fivavahana nefa na izany aza tsy azo atao ny mandika ny lalàna velona.
Sadaikitra ihany teto ny rehetra, satria niandry famaizana nanoloana ny zava-niseho nampiteraka korontana teo anivon’ny fiaraha-monina, nefa toa niseho ihany ilay hoe fahagagana. Eny fa na hatramin’ireo mpitandro ny filaminana aza ankona avokoa ka nitanjozotra namonjy fodiana, na niasa mafy aza nandritra ny tontoloandro tamin’ny fiambenana azy efa-dahy. Andrasana izay mety ho tohiny…
Tantely Vandriam