Nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny amin’ny fokontany Tsaramandroso Mahajnaga, omaly. Ramatoa lehibe iray no voadonan’ny moto ary voalaza fa naratra mafy tokoa. Raha nahita izany ny olona dia tezitra avokoa ary nitady an’ilay mpitondra kodiaran-droa. Soa ihany aloha fa tsy tratra teo ilay izy. Ny lorahanom-baovao moa no nahalalana fa tapaka “frein” tampoka ity moto ity ary dia nifatratra tany amin’ilay vehivavy lehibe.
r.s.