Amin’ny iray ora sy sasany antoandro no raikitra ny fifamaliana tao amin’ny toeram-pivarotan-toaka iray tao Mahajanga, eo Tsarahonenana. Nifamaly ny lehilahy roa, 46 taona sy 30 taona. Ny antony dia satria nangataka toaka tamin’itsy faharoa ilay voalohany. Tsy nety nanome ilay tanora ary nanomboka teo ny tsy fifankahazoana. Tsy nijanona teo amin’ny vava anefa izany ho an’ilay lehilahy lehibe izay naka fanoto avy hatrany nikapohany teo amin’ny lohany sy ny hatony ilay tanora. Torana tsy nahatsiaro tena io farany nanomboka teo ary na teo aza ny fiezahana hamelona azy dia tsy tàna intsony ny ainy. Nampandrenesina ny zandary ary nanao ny fisamborana ilay lehilahy nahavanon-doza, izay voamarika fa tao anatin’ny hamamoana tanteraka. Nanomboka ny talata teo izy no notazomina tao amin’ny “violon” ary nanokafana fanadihadiana raha vao nanomboka niafana ny toakany, noho ny vono olona.
D.R