- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Roalahy tratra nitondra taolam-paty

Mahajanga : Roalahy tratra nitondra taolam-paty

ossementTaolam-paty 4 kilao avy any Marovoay no tra-tehaky ny polisim-pirenena handeha amidy teto Mahajanga ny Alatsinainy teo. Loharanom-baovao avy amina olon-tsotra no nahafantarana azy. Avy hatrany, tsy niandry ela, ireo mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny “police judiciaire” ao Mangarivotra  fa nidina ifotony ka tany amin’iny faritry ny sampanana mankany Ambalakidy iny no nahasaronana an’ireo olon-dratsy.

Lehilahy roa izy ireo no niaraka tamin’io fotoana io. Mbola tratra teny an-tanan’izy ireo ny sakosy nisy ireo taolana. Raha nanontanina ireto farany dia nilaza fa iraka fotsiny ihany fa olon-kafa mihitsy no atidoha mikotrika ny raharaha izay mbola tsy fantatra mihitsy aloha hatreto hoe iza marina.

Raha ny fijery ireo taolana tratra ireo dia azo lazaina fa taolana efa ela ihany izy ireo no nofongarina, izao nitadiavana mpividy taty Mahajanga izao. Tany amin’izany fasana iray ao Maroadabo, fokontany Soaniadanana, distrikan’i Marovoay ao. Roa ihany aloha no tratra tamin’ireo olon-dratsy teto fa misy amin’izy ireo no mbola karohina any Marovoay any.

Efa lasa tranga mateti-piseho raha aty Mahajanga tao ho ao izay ity fivarotana taolam-paty ity. Misy foana ireo olona tratra saingy tsy mbola nisy hatramin’izao ny filazana izay tena fototr’io asa mamoafady sy mamoehatra io. Matoa anefa misy ny fitadiavana mpividy eto Mahajanga, midika izany fa misy mpandray eto an-toerana. Ireny olona ireny izay na misy mahafantatra aza dia mbola tsy nisy nahasahy nitoroka hatramin’izao. Hany ka mamela malalaka ny asa ratsy ataon’ireo jiolahy sy manome vahana ny fanimbazimbana ny soatovina malagasy. Vao vita moa ny famotorana rehetra dia natolotra ny Fitsarana teto Mahajanga avokoa izy roa lahy ireo.

 Tantely Vandriam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici