- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Sambo saika ho any Comores, nivadika teo amin’ny Port

Mahajanga : Sambo saika ho any Comores, nivadika teo amin’ny Port

Omaly alatsinainy hariva tokony ho tamin’ny 5 ora, tsy fantatra izay zavatra niseho fa nivadika teo am-pitoerana ny sambo lehibe iray feno entana tao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa handeha ho any Comores ity sambo ity. Maro ireo mpiasa nampiakatra entana tao anatiny tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Nahita anefa izy ireo fa nanomboka nivilana ilay izy ary dia samy nandeha niala nanavotra aina ny rehetra. Dia samy nitazana ny fitongilanan’ilay sambo avy eo. Farany, nitrosona tanteraka ka ny valahany no nandry niankavia nankany anaty ranomasina. Niparitaka ireo entana marobe efa tafiakatra tao anatiny ary nameno ny morona. Voalaza fa tongolo sy entana hilain’ny mponina amin’ny andavanandro ny ampahany betsaka saika ahondrana, omaly io. Tsy nisy azo natao tamin’izany fa dia nojerena fotsiny.

Toa sambany nisy loza sahala amin’izao teo amin’ny seranan’i Mahajanga. Raha ny fandehan-javatra, toa tsy misy hifandraisany amin’ny andro ratsy izay mihaodihaody any amin’ny fari-dranomasina iny ity fivadihana am-pitoreana ity. Efa misokatra amin’izoa fotoana izao ny fanadihadiana mikasika an’ity faharendrehana ity. Ho fantatra manaraka ny antony tena nahatonga ny loza.

nangonin’i

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser