- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Sinoa sy karàna voatafika tamin’ny basy

Mahajanga : Sinoa sy karàna voatafika tamin’ny basy

Ny fanafihana voalohany dia tao Antanimalandy. Fitolahy nitondra basy ary nanapoaka an’izany mba entina handrobana no tonga tao amin’ny tranon’ny fianakaviana sinoa iray. Ny alin’ny alahady, tokony ho tamin’ny sivy ora no nigadona tao ireo. Vola mitentina 1,6 tapitrisa ariary niaraka tamin’ny entana maro no lasan’izy ireo. Ora vitsivitsy taorian’izay, izany hoe omaly tokony ho tamin’ny iray ora maraina, no mbola fitolahy mirongo basy ihany koa no tonga nanafika tao amin’ny toeram-pivarotana ambongadiny izay an’ny fianakaviana karàna. Nobatain’izy ireo ny fitoeram-bola izay nisy valo tapitrisa ariary niaraka tamin’ny firavaka. Raha ny isan’ireo jiolahy no dinihina dia heverina fa andiany iray ihany no nanesy ireo toerana roa samihafa. Taitra ny mponin’i Mahajanga raha nandre ny fisian’ireo fanafihana ireo omaly. Toerana milamina mantsy ary tsy dia nanjakan’ny asan-jiolahy izany io renivohim-paritany io. Tsy vitan’izany ihany koa fa maro olona any an-toerana ankehitriny noho ny filaminany izay anton’ny hisafidianan’ny mpaka rivotra marobe azy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici