Nandriaka indray ny rà teny amin’ny lalam-pirenena faha-4, omaly hariva. “Taxi-brousse” roa no nifandona, Sprinter sy Mazda, teo Besely, 35 km tsy hiditra ny tanànan’i Mahajanga. Vokany: olona iray no namoy ny ainy, ampolony maro kosa ireo naratra. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, dia tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany hariva teo no nitranga ny loza. Handeha hizotra ho any Fianarantsoa ilay Sprinter no nifanena tampoka tamin’ity Mazda, ho any Mahajanga. Samy nandeha mafy avokoa ireto fiara ireto, raha ny fanazavana azo. Samy niezaka ny hiala avy ny tsirairay saingy tsy tana intsony ny fifandonana. Maty tsy tra-drano ny mpamilin’ilay “sprinter”, naratra mafy sy miady amin’ny fahatesana kosa hatramin’ny ora nanoratanay ilay mpamily iray. Ambonin’izay, saika naratra avokoa ny ankabeazan’ireo mpandeha, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Tonga teny an-toerana avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana ary efa samy nentina novonjena ao amin’ny hôpitaly ao andrenivohitr’i Boina avokoa ireo naratra.
m.L