- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Taxi-brousse nivadika, 5 maty, 15 naratra

Mahajanga : Taxi-brousse nivadika, 5 maty, 15 naratra

Mpanheha miisa 5 no maty, 15 naratra mafy mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly vokatry ny lozam-pifamoivoizana  izay niseho teny amin’ny sampanana Ambalakida 22km tsy hahatongavana eto Mahajanga ny alin’ny Alahady. Tokony tamin’ny 12 ora 30mn alina teo no niseho ny loza tamina fiara mpitatitra sprinter iray avy any Antananarivo izay niainga tany tokony tamin’ny 3 ora 30mn teo.

Raha ny fitantaran’ilay mpamily dia ny fahitan’ilay mpamily mpisolo toerana azy izay nitondra ny fiara adala teo ampivon-dalana no nampivily lalana azy ireo, kanjo loza mahatsiravina no naterany. 3 maty tsy tra-drano, ny 2 kosa teny amin’ny hopitaly niala-nenina vao namoy ny ainy.

Vao niseho ny loza teny an-toerana, raha vao naharay ny antso ireo tompon’andraikitra, avy atrany dia nandray an-tanana nitatitra ireo marary sy nikarakara ny razana izy ireo. Nifanolo-tanana tamin’io koa ireo mpandeha rehetra nandalo tamin’io toerana io.

Iray tamin’ireo namoy ny ainy tao anatin’io loza io moa, ilay mpanentana fanta-daza eto Mahajanga fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Valérie Gamal izay sady filoha ny FIZAMAMI tao Antananarivo teo aloha. Izy moa izay fantatra fa nikasa ny hampaka-bady amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao no notampoin’izao tsy nampoizina izao. Ireo rehetra naratra kosa izay mbola tsaboina ao amin’ny service stromatologie hopitaly CHU PZAGA androva atramin’izao.

Tantely Vandriam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici