Vao maraina no nitranga ny fanafihana mitam-piadiana ny asabotsy teo. Tsy vitan’izany fa eo ampovoan-tanàna, tsy mifanalavitra akory ny « bois sacré ». Toerana fandefasana sy fandraisam-bola avy amin’ny alàlan’ny finday no nataon’ny jiolahy lasibatra. Notifirin’ireo tamin’ny basy poleta ny mpiambina ilay toerana ka maty tsy tsa-drano. Lasa tamin’izany ny vola izy mitentina 20 tapitrisa ariary. Raha ny fitantaran’ny olona dia manao saron-tava ny iray tamin’ireo jiolahy. Nitsirara tamin’ny tany ny voatifitra ary teo ihany dia efa fantatra fa tsy nisy azo natao na inona na inona intsony. Nandriaka ny rà. Raha ny filazan’ny olona hatrany dia teo amin’ny roapolo minitra taty aoriana no tonga teo an-toerana ny mpitandro ny filaminana. Tsikaritra fa tena manana mpanara-maso ny misy ny vola sy ny fivezivezen’izany ao amin’ity tanàna ity. Ny tena matetika voatafika mantsy dia ny fampindramam-bola madinika sy ny mobilemoney. Ary saika miafara amin’ny rà mandriaka hatrany ny fanafihana an’izany. Ity fanafihana farany izay niseho teo an-tampon-tanàna ity dia mitondra endrka ratsy ho an’ny resaka fizahan-tany. Sehatra iray izay isan’ny tena mora mihemotra amin’ny resaka tsy fandriampahalemana mantsy izany ary tranga iray dia efa mety manimba ny vanim-potoana manontolo. Indrindra koa amin’izao fialan-tsasatra izao ho an’ny malagasy ary koa ny fizahan-tany ho an’ny vahiny. Etsy andanin’izay, tokony manaitra ny mpitandro ny filaminana ny zava-mitranga satria efa mihasahy tanteraka ny jiolahy ao amin’io tanàna io. Tsy dia nisy izany loatra tao Mahajanga tao aloha ary ny isan’ny tena handehanan’ny olona ay aza dia ny filaminana ao aminy. Izao anefa vao maraina dia efa misy sahy manao fanafihana mitam-piadiana ary mamono mihitsy aza. Mila hatao savahao ny jiolahy satria ny fiharian’ny olona izay ny ankamaroany dia mivelona amin’ny fizahan-tany no indray maty raha mbola mitohy ny heloka bevava toa izao.
D.R