- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Tongan’ny mpangalatra fiara koa

Mahajanga : Tongan’ny mpangalatra fiara koa

Fiara raitra, mitondra ny marina Renault Duster no nanjavona teo amin’ny toerany tany Mahajanga. Nandeha avy hatrany ny fifampizaràna ny zava-nisy ary isan’ny nandray anjara lehibe tamin’izany ny polisy misahana ny hery vonjy taitra tao an-toerana. Nozaraina tamin’ny tambajotra sosialy ny mombamomba ny fiara ary fantatra fa omaly ihany, izany hoe andro iray taty aoriana, dia narian’ireo jiolahy teny amin’ny sisin-dàlana ilay fiara. Mizotra mankany amin’ny fikarohana ireo tompon’antoka indray ny fanadihadiana ankehitriny. Nisy ny vavolombelona izay nahatsikaritra fa olona efatra no tao anatin’ilay fiara. Kely rahateo Mahajanga raha oharina amin’andrenivohitra ary dia tsy maintsy nisy ny nahita izany nivezivezy tao an-toerana. Tapidalan-kaleha arak’izany ireo mpanao ratsy satria efa mihidy koa etsy ankilan’izany ny faritra ary tsy afaka nivoaka ny lalam-pirenena ny fiara. Ny hany azon’ireo natao, raha araka ny eritreritry ny maro, dia ny nanary ny fiara. Tsy dia zava-pitranga ao an-toerana ny halatra fiara ary mba naha-taitra ny maro ihany hoe saika hatao inona ilay fiara tsara tarehy ?

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici