- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Tovolahy 21 taona, maty dobo an-drano teny amin’ny « Village...

Mahajanga : Tovolahy 21 taona, maty dobo an-drano teny amin’ny « Village Touristique »

Namono olona vahiny indray ny ranomasin’i Mahajanga. Tovolahy iray 21 taona, isan’ireo mpizaika namonjy lasy « Mega Camporee » an’ny Fiangonana Advantista, tao an-drenivohitry ny Faritra Boeny, nanomboka ny 14 oktobra lasa teo ary nifarana ny asabotsy teo, no maty dobo an-drano rehefa nandro sy nilomano niaraka tamin’ny namany teny amin’ny « Village touristique », afak’omaly tolakandro, tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany. Raha ny vaovao voaray, dia nandeha nitsangantsangana sy hividy voandalana hoentina aty Antananarivo ny dian’ ireto tanora teny, satria ny andron’ny alahady teo, amin’ny dimy ora hariva no hiainga hitodi-doha aty an-drenivohitra ny fiara hitondra azy ireo. Rehefa nahita ny hakanton’ny ranomasina sy ny tora-pasika ireto tanora, dia resy lahatra ka niroboka nandro. Niakatra tampoka anefa ny ranomasina teo amin’ny faritra nilomanosany, raha ny fanazavana nomen’ny namany, ka izay no nahavoa azy. Novonjena haingana nakarina an-tanety ity tovolahy dobo an-drano, saingy teny an-dalana hamonjy ny hopitaly Androva no tsy tana ny ainy.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici