- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversMahajanga : Tovolahy maty voatsindrona antsy teny amin'ny Bord

Mahajanga : Tovolahy maty voatsindrona antsy teny amin’ny Bord

Nisahotaka ny teny amin’ny manodidina rehefa naheno sy nahita ny zava-nitranga teny amin’ny bord, toeram-pitsangantsanganana manana ny lazany any Mahajanga ny Asabotsy 27 Janoary, izay somary efa harivariva nitogilanan’ny masoandro. Raha ny vaovao voaranay avy any an-toerana hatrany dia nisy disadisa tsy niteraka fifamaliana tamin’izy samy mpinamana, ka niafara tamin’ny tsatoka antsy, ka nahavoa ity zazalahy 19 taona voa erotrerony. Nifarimbonana ny olona manodidina hitondra azy haingana hamonjy hôpitaly fa tsy tana intsony ny ainy teny an-dalana. Ny nahavanona ny loza kosa no efa voasambotry ny polisy. Mampametra-panotaniana ny olona maro ao Mahajanga iny zava-niseho, hoe: Fidorahana zava-mahadomelina ve ny anton’ireo mpinamana nifamono, sa adalana tiana hatao tsotra izao. Tokony hasiana fanaraha-maso sy hojerena akaiky hoan’ny Ray sy Reny niteraka ireny zaza ireny, ary indrindra ireo namana mifamezivezy matetika aminy.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici