- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahajanga : Tovolahy nanapoaka basy, nosamborin’ny pôlisy

Mahajanga : Tovolahy nanapoaka basy, nosamborin’ny pôlisy

Fanakorontana, fanapoahana basy ary mety hiampy fitondrana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalàna. Ireo no vesatra mety hanenjehana ity tovolahy iray nosamborin’ny pôlisy, tao amin’ny toeram-pisotroana iray tao an-tampon-tanan’i Mahajanga tao ny zoma « manifika » lasa teo. Raha ny fanazavana azo mantsy dia nanapoaka basy tao amin’ity toerana io tovolahy io. Niteraka korontana sy tahotra tamin’ireo olona tao amin’ity toeram-pisotroana ity izany toe-javatra izany. Any an-toerana rahateo efa manomboka ho be olona, noho ny fotoam-pialan-tsasatra lehibe. Vantany vao nahazo ny vaovao ny pôlisy avy ao amin’ny Fitaleavam-paritra Boeny dia nidina teny an-toerana amin’ny alalan’ny UIR Mahajanga. Nosamborina avy hatrany teo noho eo ihany ingahy manana basy, izay tovolahy 30 taona, ary nentina nihazo ny biraon’ny polisy ho amin’ny famotorana azy. Nandritra ny fisamborana, hoy ny fanazavana azo avy amin’ny pôlisy dia nahitàna an’ilay basy vao avy napoakany, niaraka tamin’ny bala maromaro, izay tsy fantatra ho atao inona. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka moa ireo tompon’andraikitra mahakasika ity raharaha ity ary hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana izy aorian’izay.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici