- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahajanga : Tra-tehaky ny polisy ry tarika Ledada mpampihorohoro vahoaka

Mahajanga : Tra-tehaky ny polisy ry tarika Ledada mpampihorohoro vahoaka

Ireo jiolahy nosamborina androany (Ledada sy Fily ary Methode)
Ireo jiolahy nosamborina androany (Ledada sy Fily ary Methode)

Nampitaraina mafy ireo mponina tao amin’ny fokontany Antanimalandy hatramin’izay ny nafitsok’ireto andiana mpandroba ireto. Ela ny ela ka tratra ihany ny alakamisy teo. Izy ireo mantsy matetika no manao ny asa fanafihana sy fanendahana ao amin’io toerana io, izay tanàna onenan’izy ireo ihany. Vao manomboka maizimaizina ny andro, amin’ny 7 ora eo, dia efa midina mandeha manao ny asa ratsiny ireo andian-jatovo ireo. Miisa enin-dahy izy ireo no indray miaraka. Izay sendra azy dia faohiny avokoa. Toy ilay mpivarotra iray nody avy any Mahabibo, vao nidina ny taxi be dia notsenainy tamin’ny antsy ka naratra. Soa ihany fa niantsoantso vonjy haingana ilay ramatoa ka nalaky tonga ny fokonolona, ary soa fa tsy lasany ny vola. Teo ihany dia nifanenjehana saingy tsy nisy tratra.

Ankoatra ny fandrobana, mamaky trano ihany koa ireto andian-jatovo ireto. Eny fa na dia amin’ny andro antoandro aza. Azo lazaina fa efa matihanina amin’izany mihitsy satria asa efa fanaon’izy ireo. Miakatra hatrany ambonin’ny tafo mihitsy izy ireo manao ny asa fangalarana. “Plaque solaire” matetika no alainy. Tranga roa no efa nisy nametraka fitarainana dia ny tamin’ny faha 15 janoary teo sy tamin’ny alahady 24 janoary 2016. Izay trano rehetra misy io “plaque solaire » io dia lasibatra avokoa. Ny mpividy rahateo efa azo antoka, izay efa nosamborin’ireo polisy natao fanadihadiana ankehitriny.

Telo ihany aloha no tratra hatreto amin’ireo andian-jiolahy mpandroba sy mpamaky trano ao Antanimalandy ireto, dia i Ledada, Fily ary i Methode. Ny sasany kosa mbola karohina izay fantatra fa lasa nitsaoka any Marovoay. Efa nigadra avokoa izy rehetra ireo, misy mihitsy aza no vao avy namita sazy dia izao mamerina ny asa ratsy fanaony izao. Omaly ihany dia natolotra ny fitsarana ny raharaha  taorian’ny famotorana rehetra. Azo lazaina ho milamindamina araka izany manomboka izao ny mponina ao amin’ny fokontany Antanamalandy.

Tantely Vandriam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici