- Publicité -
mardi, juin 3, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Tranom-barotra voatafika, lasa ny vola telo baoritra

Mahajanga : Tranom-barotra voatafika, lasa ny vola telo baoritra

Nitrangana asan-jiolahy mahery vaika, tao an-tampon-tananan’i Mahajanga tao, ny zoma lasa teo. Andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana no nanafika tranom-barotra iray tao amin’ny fokontany Mahajanga Be. Tsy nisy ny aina nafoy, na izany aza anefa dia vola an-tapitrisany maro tany ho any no lasan’ireto olon-dratsy ireto. Vola izay voalaza fa manodidina ny telo baoritra teo ho eo. Raha ny fampitam-baovao azo, dia vao avy nanao ny asa ratsiny izy ireo no nirifatra nitsoaka tamin’ny alalan’ny môtô scooter. Ankevitry ny efa nisy namany niandry azy tsy lavitra teo. Nampandrenesina avy hatrany taorian’izay ireo mpitandro filaminana rehetra tao an-toerana, ary nidina nijery ifotony ny zava-nisy. Teo  no eo ihany, dia nisy ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto. Izay marihana fa nisy roa lahy tamin’izy ireo azo sary tamin’ny alalan’ny “camera de surveillance”-n’ilay magazay voatafika. Araka izany, miantso izay olona mahita zavatra mampiahiahy hiantso ny tompon’andraikitry ny filaminana avy hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici