- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Tsy fanjarian-tsakafo, hiditra an-tsehatra ireo mpandraharaha

Mahajanga : Tsy fanjarian-tsakafo, hiditra an-tsehatra ireo mpandraharaha

Mbola ady goavana eto Madagasikara ny famahana ny olan’ny tsy fanjarintsakafo. Miabo hatrany amin’ny 42% ny tahan’ireo zaza latsaky ny 5 taona tratran’izany eto amintsika. Ny fanampiana eny ifotony no vahaolana maharitra, hoy ireo mpandraharaha mivondrona ao anatin’ny vovonana anjaramasoandro. Mianga amin’ny fanamafisana ny zavatra rehetra mety mahavelona, ny fampitomboana ny fisin’ny sakafo mampahery ary ny fampiroboroboana ny fanentanana sy filàna ara-tsakafo. Ireo mpandraharaha ireo ihany avy eo no handray ny vokatr’ireo tantsaha tsy misy fanelanelanana ho tombotsoa mivantana ho azy ireo sy ny faritra misy azy.
Teto Mahajanga nihaona mivantana tamin’ny ireo tantsaha sy mpaboly ary ireo tompon’andraikitry ny kaominina efatra avy, avy amin’ny distrikan’Ambato Boeny sy Marovoay ireo mpandraharaha ireo. Namantatra ireo vokatra misy any aminy.
Ho an’ny eto Boeny manokana, vokatra anisan’ny mbola azo trandrahina tsara ny ananambo, ny lojy, ny mangahazo, ny katsaka, ny akondro sy ny vomanga ary ny vary. Vokatra an-jatony taonina maro no mivoka isan-taona saingy mbola vitsy ny mandray azy.
Tombony lehibe ny fampifandrindrana mivantana ny tolotra sy ny tinady toy izao, hoy ireo ben’ny tanàna nasaina. Satria ny faritra misy anay dia tena mamokatra fa vitsy ny mandray azy, ka manantena ny fidinan’ireo mpandraharaha any amin’ny toerana misy anay izahay, hoy izy ireo, mba hahafananay manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanatsarana ny vokatra, fa indrindra eo amin’ny vidiny, tsy hahafatiantoka ireo tantsaha. Izany rehetra izany mantsy no efa, hoy hatrany izy ireo, no hitondra tamberinandraikitra amin’ireo vahoaka tsirairay avy any ifotony.
Tamin’ny taona 2017 no nijoro ny vovonana Anjaramasoadro teto Madagasikara. Ny taona 2019 izy no niara-niasa mivantana sy teo ambany fanohanan’ny PAM. Mpandraharaha 24 eo no mivondrona ao anatiny. Niray feo hampiroborobo ny hetsika hiadiana amin’ny tsy fanjarin-tsakafo eto Madagasikara, izay isan’ny laharam-pahamehana ho an’ny fitondram-panjakana ankehitriny. Faritra maromaro eto amin’ny Nosy no efa niasan’izy ireo dia ny tao Antananarivo renivohitra, Atsimo andrefana, Haute Matsiatra, Vakinankaratra, Analamanga, Atsinanana. Ary izao nitatra aty amin’ny faritra andrefan’ny Nosy izao, vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny ProDécid teto Boeny.

Tantely Vandriam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici