- Publicité -
jeudi, mai 29, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Vaky fasana, roalahy tratra nitondra taolam-paty 30 kg

Mahajanga : Vaky fasana, roalahy tratra nitondra taolam-paty 30 kg

TAOLANALoharanom-baovao avy amina olona tsara sitrapo iray no nahafantaran’ireo mpitandro ny filaminana ao amin’ny PJ Mahajanga fa misy entana tsy dia mazava lotra nampidirina amina “taxi brousse” iray niainga avy tany Marovoay, ny alatsinainy alina lasa teo. Entana nifona tamina gony iray nentin’ny tovolahy miisa roa izy io. Rehefa natao ny velapandrika rehetra dia notratrarina taty Mahajanga ilay fiara. Tratra tao tokoa ireo entana ka rehefa nosavaina dia taolam-paty be dia be no tao anatiny. Nilanja teo amin’ny 30 kilao teo izy io. Raha nanontanina ireo tovolahy dia nilaza fa entana nalefan’ny olona avy any Ambositra izy io. Milaza izy ireo fa tsy mahafantatra izay tena tompony fa nampanaterina fotsiny ilay entana aty Mahajanga.

Omaly ihany anefa dia nisy nametraka fitarainana tao amin’ny polisy fa vaky ny fasana. Rehefa nojeren’ireo mpitory ireo tolana dia hita fa misy mitovy amin’ireo raraka teo ivelan’ny fasan’izy ireo. Teo no nahafantarana fa tao amin’ny fasan’ny toby Betela teny amin’ny lalana kilometatra vitsy tsy ahatongavana eo amin’ny fiolanana mankany Marovoay no nakan’ireo tsy mataho-tody ireto taolana.

Saika taolan-dava avokoa ireo taolana ireo. Tsy nety nilaza izay toerana hitondrany ireo taolana izy roalahy fa nanindry ny hikasa mbola hitady mpividy. Tranga izay tsy vao androany akory no niseho teto Mahajanga fa efa matetika misy, saingy tsy mbola nisy tratra aloha atreto izay tena mpanangona sy mpividy azy. Ny tsara tsiahivina dia ny hoe matoa  misy ny mpangalatra ireo taolam-paty ireo dia efa misy mpividy sy manondrana azy ireo ihany koa any ho any.

Omaly maraina teo no vita avokoa ny famotorana rehetra ka avy hatrany dia natolotra ny fitsarana ny raharaha.

Tantely Vandriam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici