- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Vazaha mipetra-drery nisy namono

Mahajanga : Vazaha mipetra-drery nisy namono

Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana (sary nindramina)

Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Tsatok antsy maromaro no hita tamin’ny vatany ka ny teo amin’ny tendany sy ny faritry ny lohany no azo heverina fa tena nitarika ny fahafatesany. Teratany vahiny iray no hita faty ary efa nihosin-drà tao an-tranony tao Antanimasaja, fokontany iray ao an-drenivohitr’i Mahajanga. Rehefa nohamarinin’ny tompon’andraikitra dia miaramila efa misotro ronono izy io. Nanamafy izany rahateo ny sariny izay hita niaraka tamin’ny kojakojany farany dia ny sary manao fanamiana miaramila izany. Nanofa trano izy ary mipetra-drery tao an-toerana, efa ho volana maromaro. Tao anatin’izay fotoana izay anefa, raha ny tsikaritry ny fiaraha-monina, dia tsy mba nanirery mihitsy izy. Ny antony dia maro ny vehivavy nivezivezy sy mifandimby mandeha ao amin’ilay tokantrano kely. Izany hoe misy mahita miharihary ny fiainany sy ny ao an-tranony. Mety nisy zavatra nanintona ireo mpivezivezy ary ve ka nitarika ny famonoana ? Sa koa mety nisy lehilahy hafa tezitra rehefa nahafantatra fa mandeha ao amin’ilay vazaha ny vehivavy, izay mety ho sakaiza na vadin’olona ? Marobe ny fanontaniana mipetraka momba ity raharaha ity ary ny mpanao fanadihadiana eo anivon’ny mpitandro ny filaminana no mety hahita ny valiny momba izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici