Taorian’ilay vedety rendrika izay nampitohy an’i Mahajanga sy Katsepy, ao amin’ny heli-dranon’i Bambetoka, ny alahady marainan’ny 8 novambra 2015 teo, dia taterina eto ny vonjy aina izay mendrika hoderaina tokoa nataon’Atoa Mampihao Louis, 52 taona, Lehiben’ny sampana Fitaovana sy Vakoka, ao amin’ny Foibem-paritry ny Fahasalamana eto Boeny. Ny DRS Boeny izany no tena voa mafy tamin’izao loza izao. Izy mantsy no hany sisa velona tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana dimy nandeha tamin’io vedety niharan-doza io, raha toa ka tara ny fiaingàn’ny Bac Madaba, izay mampitohy an’i Mahajanga sy Katsepy izy ireo. I Mampihao Louis dia tsy mba isan’ireo izay nanao hoe: “samia manavotra ny ainy” rehefa tojo ny loza, fa nanao izay ho afany mba tsy hatelin’ny ranomasina Rtoa Marie Claudine, 46 taona, avy any Antsiranana. Ity farany rehefa taitran’ny tampoka, sady tsy mahay rano rahateo, dia nikoropaka ka very avokoa ny tokony hatao rehetra, fa ny tahotra ny ho faty no nibahana betsaka tao an-tsainy. Hany ka tsy afa-nihetsika fa namikitra mafy tamin’i Louis no sisa nataony. Manana traikefa amin’ny fiarovan’aina eny amin’ny rano lalina i Louis ka afaka nitarika sy nandresy lahatra mora an’i Marie Claudine mba ho tony sy tsy hitazona afa-tsy amin’ny akanjo ambonin’i Louis ihany. Ny antony dia mba ho afaka manao ny fihetsika rehetra tsy hampilentika azy roa izy. Nandritra izany dia tsy nitsahatra nifampiresaka izy roa mandra-pahatongan’ ny mpamonjy voina, ora iray sy sasany taty aoriana.
Ny Governemanta sy ny fitondram-panjakana eto an-toerana no niantoka ny lany rehetra tamin’ny fitsaboana ireo maratra sy ny fandefasana ny razana any an-tanindrazany avy: roa any Mitsinjo, iray any Bonamary distrikan’i Mahajanga II ary roa any amin’ny faritra Analamanga.
Ny tolak’andron’ny alahady io ihany dia nampiantso fivoriana maika ny Ministry ny Jono tao amin’ny Lapan’ny Faritra Boeny. Tapaka fa tsy misy vedety mahazo miasa mandra-pahatongan’ny fandaminana vaovao. Mandritra izay dia ny Bac roa Baobab sy Madaba ihany no afaka mampitohy an’i Mahajanga sy Katsepy aloha.