- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversMahajanga : Vehivavy novonoin’ny mpanampy an-trano

Mahajanga : Vehivavy novonoin’ny mpanampy an-trano

Telo volana taty aoriana, nivaly ihany ny rà latsaka tao amin’ny tokantrano iray tao an-drenivohitr’i Boina tao. Voasambotry ny pôlisy ireo tompon’antoka. Olona roa izay akaiky ny tompon-trano ihany.

Ny 25 aprily lasa teo, nitrangan’ny vono olona mahatsiravina tao amin’ny trano iray teo amin’ny Village touristique Mahavoky Atsimo. Renim-pianakaviana iray tokony 68 taona no hita faty tao an-tranony. Marihina fa nipetra-drery ity ramatoa ity. Tsy nisy nahita araka izany izay zava-nitranga tamin’io fotoana io. Taorian’ny fahitna ity habibiana mahatsiravina ity dia nandray andraikitra avy hatrany ny pôlisy nanao ny fikarohana izay mety ho nahavanon-doza. Nandritra izay telo volana latsaka kely izay, dia efa nahatratra am-polony maro ireo olona noahiahiana sy nentina natao fanadihadiana teny anivon’ny pôlisy. Ny herinandro lasa teo no voasambotra ny olona roa farany izay voalaza fa isan’ny nandray anjara nivantana tamin’izany vono olona izany. Ireto farany dia mpanampy an-tranon’ilay renim-pianakaviana io ihany. Tamin’io fotoan’ny 25 aprily io, hoy ny fampitam-baovaon’ny pôlisy dia nidiran’izy ireo an-keriny tao an-tokantranon’ilay vehivavy. Ary taorian’izay no novonoin’izy ireo ho faty ity farany. Mazava ho azy fa tsy maintsy ho nisy fikasan-dratsy hangalatra tao an-tsain’ireo farany angamba ary dia izao niafara tamin’ny faningorana ny ain’ny tompon-trano izao.

Taorian’ny fakàna am-bavany azy 15 mianadahy ireto moa dia natolotra teo anivon’ny Fampanoavana tany Mahajanga izy ireo, afak’omaly. Nadoboka am-ponja vonjimaika ireo olona roa nandray anjara nivantana tamin’ilay famonoana, araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy. Miandry ny fotoam-pitsaràna koa ireo ambiny.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici