Tovolahy vao 28 taona avy any Sofia no nitondra io vola sandoka io. Avy any Befandriana izy no nikasa hanakalo ireo vola ho tena izy teto Mahajanga. Loharanam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahazoana ny vaovao, nanaovan’ireo polisim-pirenena velapandrika ka teny amin’ny tsenan’i Mahabibo no nahatratrarana azy. Ny alarobia 7 novambra teo no tra-tehaky ny polisy ilay tovolahy, andron’ny fifidianana io. Noheveriny fa variana tany amin’ny fiambenana ny fifidianana avokoa ireo mpitandro ny filaminana ka sahiny ny niriaria niaraka tamin’ilay volabe sandoka. Soa fa nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny fahazoana io vaovao marim-pototra io ka nahafahana nisambotra azy avy hatrany. Mahavoasazy ary mahavoaheloka mandra-pahafaty ny fanaovana vola sandoka tahaka izao. Vola sandoka miisa 1064 no natontany. 676 ny vola 20.000 ar vaovao, 59 vola 10.000 ar taloha, 221 vola 10.000 ar taloha, 58 ny vola 5.000 ar ary 25 ny isan’ny vola 2.000 ar. Tsy misy valaka amin’ilay tena izy io vola io saingy ny ahafantarana azy dia izy tsy misy ilay faritra mangirana ary tsy ahitana ilay sarina omby rehefa tarafina.
Tantely Vandriam