Noho ny fanomezam-baovao marim-pototra avy amin’ny olona tsara sitrapo, dia voasambotry ny Zandary ao Mahajanga, ny harivan’ny fetim-pirenena 26 jona teo, ny olona telo mianadahy avy any Maromandia, distrikan’ Antsohihy, izay voarohirohy tamin’ny fisolokiana olona tamina vola sandoka mitentina 8 tapitrisa Ariary. Raha araka ny tati-baovao voaray, nilaza fa manana « mercure » ¼ litatra ireto mpisoloky, ka olona iray avy aty Antananarivo no lasibatry ny teti-dratsin’izy ireo, satria natoky ny mpividy ka natao tao Mahajanga ny fotoam-panakalozana teo amin’ny mpividy sy ireo mpivarotra, ny 25 sy 26 jona teo. Ny 26 jona hariva anefa, dia nandainga indray ireo mpivarotra, fa misy lavabato ao amin’ny « Bord de la mer » akaikin’ny « baobab », ary tsy maintsy hanaovana fombafomba vao azo ny entana hovidina. Natoky ny mpividy ka nanome avy hatrany ny vola 8 tapitrisa Ariary tena izy notakian’ireto mpisoloky, ary nilaza ireto farany fa minitra vitsy monja dia haverina ny vola, kanefa taratasy fotsy nofonosina tamin’ny vola tena izy no nomena ny mpividy, fa tsy « mercure » akory araka ny nifanarahana. Raha ny nambaran’ny Zandary mandray an-tanàna ny raharaha, dia misy olona roa hafa ankoatra azy telo mianadahy ireto no mbola karohina fatratra amin’izao atao hazalambo. Omaly tolakandro moa no natolotra ny Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Mahajanga izy telo mianadahy tra-tehaky ny Zandary ireto.
Eric Manitrisa