- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Volafotsy saika haondrana any Mayotte

Mahajanga : Volafotsy saika haondrana any Mayotte

Ny sabotsy 17 septambra teo, teny amin’ny seranam-piaramanidina Amborovy any Mahajanga, tamin’ny  9 ora maraina,  sidina ho any Mayotte, nanao fisavana fanindroany ny zandary teny an-toerana ka nahatratra vangovango volafotsy  hatrany amin’ny 15 saika halefa any Mayotte. Teratany kômôriana no nitondra an’ireo entana. Nilaza ity farany fa, olona tsy fantany no nandefa izany fa niangaviana fotsiny izy hitondra azy. Nampandrenesina avy hatrany ny  ao amin’ny ladoany. Nilaza ireo fa tsy nahatsikaritra na inona na inona. Etsy an-daniny, nanamafy ry zareo fa firavaka 400 gr ihany no azo entina. Nampafantarina ny tomponandrikitra ny fandehan-javatra. Nisy ny fanapahan-kevitra noraisina ka voalazan’ny vaovao fa afaka nandeha nanohy ny diany ilay kômôriana, fa ny entana kosa notazonina ao amin’ny borigady ao amin’ny seranam-piaramanidina.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici