- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Vonona avokoa ireo sekoly amin’ny fandraisana ireo mpianatra

Mahajanga : Vonona avokoa ireo sekoly amin’ny fandraisana ireo mpianatra

Ny ampitson’ny fanambarana ny toromarika napetraky ny filoham-pirenena ny amin’ny famerenana ireo mpianatra haka ny fanadinam-panjakana any an-tsekoly dia efa nisy ny famoriana ireo mpampianatra sy tompon’andraikitry ny sekoly rehetra teto Mahajanga, teo ambany fiahin’ny DrenTp teto Boeny. Nampahafantarina ireo fepetra rehetra tsy maintsy arahina amin’ny fandraisana ireo mpianatra. Nanomboka ny talata teo mantsy no efa tonga teto an-toerana ireo iraka avy any amin’ny ministera foibe nitondra ireo fampitaovana ara-pahasalamana ahafahana miatrika izany. Isan’io ny fahazoana ireo tapim-bava izay hozaraina maimaimpoana ho an’ireo mpianatra rehetra, ireo ranom-panafody afendraka eny amin’ny sekoly ary ilay tambavy novokarin’ny IMRA entina miaro ireo mpianatra amin’ny mety ho fiparitahan’ny aretina covid19. Isan’ny anton-dian’ireto delegasionin’ ny ministera ireto amin’ny fidinana ifotony izao ihany koa ny fanaraha-maso ny fanatanterehana ireo fepetra rehetra napetraka hahafahan’ireo mpianatra miverina mianatra am-pilaminana. Efa nisy moa nandritra ny fahatongavana ny fandaminana niarahana manokana tamin’ireo tompon’andraikitry ny tanàna sy ireo manam-pahefana teto an-toerana. Eny anivon’ny sekoly dia efa samy manomana ireo mpampianatra rehetra amin’ny fanatrarana ireo fandaharam-pianarana mbola tsy vita. Ezahana, ho izy ireo, ny hamita izany araka ny tokony ho izy, mba hahafahan’ireo mpianatra miatrika ny fanadinam-panjakana ampitoniana amin’ity taona ity. Ho an’ireo ao amin’ny sekolim-pinoana katolika manokana, tsy misy antony tsy ahafahana manatratra ny fandaharam-pianarana, hoy izy ireo, na nisy aza ny sakana teo amin’ny raharaham-pirenena. Iray volana mialoha mantsy ny anay, hoy ny fanazana, no efa vita ny programa rehetra isan-taona ka io fotoana io no hanenjehana ny tsy mbola vita rehetra. Efa vonona ihany koa izy ireo ny amin’ny fanarahana ireo fepetra rehetra napetraky ny fitondram-panjakana. Zava-dehibe ho , hoy hatrany izy ireo, ny fitandroana ny ara-pahasalaman’ireo mpianatra sy ireo mpampianatra ka tsy hataonay ambanin-javatra izany.

Omaly no niverina an-tsekoly avokoa ny mpianatra kilasy famaranana rehetra manerana ny Nosy. Tsy maintsy manao tapim-bava avokoa ny rehetra, mampiasa ilay atao “gel désinfectant”, manaja ny lamina amin’ny fanasana tanana amin’ny savony, mpianatra iray isaky ny latabatra, elanelana 1 metatra, tsy mihoatra ny 25 ao anatin’ny efitra iray ary misotro an’ilay tambavy covid organics hiarovana amin’ny aretina coronavirus.

Tantely Vandriam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici