Bala ary koa marim-pamantarana ho zandary. Izay no sarona tao amin’ny traon’ilay rangahy izay antsoina hoe Faly. Mitety ny tanàna maro eo anivon’ny faritra izy ary manao ny asa fisolokiana raha araka ny fanazavan’ny pôlisy izay nanatontosa ny fisamboranaazy. Isan’ny tena nahita faisanatamin’izany ny olona sasany izay moninaao Marovoay. Nidobokaam-onja avy hatrany rehefa natolotra ny fampanoavana. Fanao izay lasa matetika mitranga ny momba ny fisandohana andraiktira ho mpitandro ny filaminana. Matetika dia manao fanaparam-pahefana amin’ny fahefana izay tsy ananany akory anefa no tena miseho. Isan’izany ny fanerena olona hanome vola na koa hanaiky izay tenenina. Endrika iray izay mateti-pitranga koa ny fisandohana ho mpitandro ny filaminana ary tsy iza fa ireo farany ihany anefa no hosolokiana. Isan’ny tadidy ny fisian’ny mpisandoka ho manam-boninahitra ho zandary izay nilaza mahavita mampiditra olon-tsotra ho zandary. Betsaka ny roboka ary nanao dosie sy nandoa vola. Tsy hita ilay mpisandoka nony avy eo ary ny fitoriana izay nipetraka no nahafantarana fa tena tsy zandary mihitsy ny tenany. Tsy ireo olon-tsotra ihany aza no voasoloky fa ireo tena mpitandro ny filaminana koa. Ireo indray dia nojonoiny tamin’ny hoe afaka mikarakara ny « avancement » na ny fisondrotana grady ny tenany. Dia nisy roboka koa teo. Soa fa mba voasambotra ihany ity mpanao ratsy ity rehefa nandeha ny fanadihadiana. Ny nahatalanjona anefa dia tsy nierina akory ny taona dia efa nivoaka ny fonja indray izy ary niverina tamin’ny asa ratsy fanaony. Dia mbola voasambotra fanindroany koa ary teo dia efa fantatry ny zandary ny momba azy rehetra.
D.R