- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversMahalavolona Andoharanofotsy : Jiolahy nanafika, vehivavy iray voaholana, lasa ny vola 800...

Mahalavolona Andoharanofotsy : Jiolahy nanafika, vehivavy iray voaholana, lasa ny vola 800 000 ar

Ny 23 jiona teo tokony ho tany amin’ny sasak’alina no nanafika tokan-trano iray tao Mahalavolona Andohoranofotsy ireo jiolahy tsy fantatra isa ary tsy nitondra basy. Nihanika tamboho izy ireto tamin’izany ka tonga dia tafiditra tao antokontany. Henon’ilay mpiambina ny tanàna moa izy ireo tamin’izany ka saika hanohitra ity farany no nokapain-dry zalahy tamin’ny antsy ny lohany ka vaky. Nahavita niantso vonjy ihany anefa ilay mpiambina tamin’izany. Raha vao naheno izany tabataba izany kosa ilay rangahy tompon-trano dia nivoaka avy hatrany ka tonga dia voahambana antsy ary tsy afa-nihetsika.

Nofatoran’ireo jiolahy avy hatrany ity lehilahy ity ary lasa izy ireo niakatra tany ambony rihana. Ny zavatra nataony voalohany dia nanolana ankizivavy vao 17 taona monja. Nofatoran’izy ireo avy eo ilay vehivavy rehefa vita ny fanolanana. Noteteziny amin’izay ny efitrano hafa ka nahita ny renin’ity ankizivavy ity ry zalahy. Nanambana antsy ilay vehivavy lehibe, nofatorany ihany koa ary nasain’izy ireo hamoaka ny vola sy hanoro izay entana sarobidy ao antrano.

Lasan’ireto mpanafika tamin’izany ny vola mitentina 800 000ariary, fahitalavitra “écran plat” sy ny volamena rehetra tao an-trano, ny taratasy fahazoana mitondra fiarakodia. Marihina fa mpiasa ao amin’ny Banque Centrale moa ity rangahy voatafika ity. Dimy minitra tao aorian’ny fanafihana vao tonga ny zandary tao an-toeran saingy efa tsy tratra intsony ireto olon-dratsy. Tsy nisaron-tava moa ireto jiolahy ka eo no mety hahamora ny fisamborana azy.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser