Notsaboina nandritra ny efatra andro teny amin’ny hopitaly ny ankizy vavy kely iray 16 taona vokatry ny ratra nahazo azy. Ny talata hariva anefa dia tsy tana ny ainy fa maty izy. Izany no vokatry ny fandonan’ny fiara ity ankizy ity tamin’ny sabotsy lasa teo tetsy Mahamasina. Mpiara-monina maromaro eny Anosibe Mandrangobato no nifamotoana vao maraina tokony ho tany amin’ny 4 ora tany ho any hihazakazaka. Samy manomana fanadinana BEPC izy ireo. Rehefa teny amin’ny faritry Mahamasina anefa, na dia nandeha teny amin’ny sisin-dàlana aza izy ireo dia voadonan’ny fiara ny iray ka naratra mafy tokoa. Ilay fiara nandona tamin’izay fotoana izay voalazan’ireo namany fa tsy nijanona fa lasa nandeha nanohy ny diany hatrany. Avy hatrany dia nentina teny amin’ny HJRA ity ankizy voadona ity ho tsaboina. Noho ireo ratra nahazo azy anefa dia izao namoy ny ainy izao izy.
Tsy niandriandry kosa anefa ny fianakaviana nanao izay nikarohana an’ilay fiara. Amin’izao fotoana, araka ny loharanom-baovao dia efa hita ilay izy. Tsy vao izao no nahenoana fiara mandona olona, indrindra amin’ny alina tsy mijanona mandray andraikitra mihitsy fa lasa mandositra fotsiny izao. Misy amin’izy ireny no fantatra sy tratra, fa misy koa no tsy hita mihitsy.
r.s.