- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMahamasina Atsimo : Mpirahalahy namaky tranon’ny fianakaviany: very ny fanaka sarobidy

Mahamasina Atsimo : Mpirahalahy namaky tranon’ny fianakaviany: very ny fanaka sarobidy

Entana lafo vidy, vakokin’ ny fianakaviana  no norobain’ireto mpiralahy ireto.  Nandritra ny  valo volana dia notaomin’izy roalahy tsikelikely ny entana tao amin’ny tranon’ny fianakaviany. “Nihanika ny tamboho ary niditra tao an-trano namoaka tsikelikely ireo entana sarobidy” izay ny fomba nentin’ireto roalahy nandrobana ireo fananana sarobidy tao amin’ilay trano araka ny vaovao voaray tany amin’ny polisy. Hatramin’ny taratasy mirakitra ny lova niafina tao anatina famataranandro lehibe nihantona tao an-trano aza dia very niaraka tamin’ireto entana ireto. Noho ny fahafatesanan’ny ray aman-drenin’ny  tena tompon-trano dia tsy maintsy novohana itsy farany. Akory ny hagagan’izy ireo nahita ny trano banga sy tsy nisy entana intsony. Nandeha ny famotorana ka izy roalahy ireto no voarohirohy  tamin’ity asa ratsy ity. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana. Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora ny talata lasa teo moa izy roalahy mianjy ny fitsarana azy.

Kanto R. (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici