Ny volana aprily lasa teo izy no niditra an-keriny niaraka tamin’ny basy tao anatin’ny fetin’olona izay nambenan’ny pôlisy. Nilaza izy tamin’izay fotoana izay fa miasa eo anivon’ny Brigade Criminelle ka tonga hijery olona sy hanao fanadihadiana. Tsy afa-nanoatra ilay pôlisy niambina ny toerana ary nanaiky ny nidirany tao. Tamin’io fotoana io anefa dia vitan’ilay BC sandoka ny namoaka basy tao anaty fetin’olona. Kely foana sisa no tsy nifampitifirany tamin’ny mpiambina. Voatery nalamina ny raharaha teo. Tamin’ny asabotsy teo indray dia tonga tao amin’ny kaomisaria iray izy ary nilaza fa miaramila mitondra ny galona Adjidà, miasa eo anivon’ny lapan’i Mahazoarivo, izany hoe miadidy ny fiambenana ny Praiminisitra. Ny anton’izany dia ny mba hanaovany ramatahora ny tompon’andraikitra mba hamoaka ilay namany notazonina tao amin’ny Komisaria. Sendra ny patsa iray tsy omby vava anefa ity “mpitandro ny filaminana” ity satria nifenena tampoka tamin’ilay pôlisy (tena izy) izay efa nifanehatra taminy tetsy Anosibe. Nazava teo ny raharaha fa mpisandoka ity sady miaramila no pôlisy ity. Nosamborina avy hatrany izy tao amin’ny biraon’ny pôlisy ary avy hatrany dia notazonina tao. Ela nitoratorahana ka nahavoa voamason’angatra, araka ny fitenin’ny Ntaolo…
D.R