- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMahamasina : Fifanosehana, olona 2 maty, 25 maratra

Mahamasina : Fifanosehana, olona 2 maty, 25 maratra

Samy te ho tafiditra hijery fampisehoana ny rehetra. Niafara tamina fahafatesan’olona anefa izany

Omaly tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany, nisehoana loza nahafatesana olona teny Mahamasina vokatry ny fifanosehina hiditra ny vavahady hijery lanonana. Vokany, olona roa no fantatra fa namoy ny ainy, ankizy lahy 14 taona sy vehivavy lehibe 46 taona. Ankoatra izany, mahatratra hatrany amin’ny 25 ireo maratra ary nanaraka fitsaboana teny amin’ny HJRA.

Tomefy olona Mahamasina vao maraina koa ny andron’ny fankalazana ny fetim-pirenena. Nizotra tsara anefa ny fidirana tamin’izany. Ny hariva, nisy ny fampisehoana izay vao maika nahasarika olona maro. Efa be ireo tafiditra, mbola maro koa anefa ireo tavela tany ivelany. Tokony ho tamin’ny 4 ora mahery, tsy fantatra marina izay niseho fa nisy ny fifanosehana teo amin’ilay vavahady tokona azo nidirana. Ny vaovao voaray no hilazana fa toa hoe natahotra alika ny ankamaroan’ny rehetra ary samy nitady lalana handosirana. Marihina fa tamin’ny maraina dia nisy tokoa ny alika nentin’ny zandary nanampy tamin’ny fisavana ireo rehetra niditra tao ankianja. Tsy natao hampitahorana anefa izany fa asa fanaon’ny mpitandro filaminana ihany. Testy andaniny koa anefa, hoy hatrany ny vaovao, efa hariva ihany ny andro nefa mbola tsy tafiditra ireo hizaha lanonana ka angamba samy te ahita ha raikitra ny fifanosehana.

Vao nitranga ny loza dia nalefa teny amin’ny HJRA avokoa ireo maratra. Tonga teny an-toerana nampahery azy ireo ny praiminisitra Kolo Roger notronin’ny PDS ny tananan’Antananarivo Ny Hasina Andriamanjato.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser