Soa ihany fa tonga haingana ireo mpitandro filaminana. Efa teo am-pelantanan’ireo fokonolona, vonona ny hanao fitsaram-bahoaka, ity lehilahy ity izay voalaza fa namono nahafaty ny namany. Izy ireo izay niaraka nisotrosotro teny amin’iny faritra Mahamasina iny ihany.
Nikorontana indray ny teny amin’iny faritra Mahamasina iny ny alin’ny « zoma manifika » teo. Lehilahy iray no naratra mafy sy namoy ny ainy rehefa nodarohan’ny lehilahy iray hafa teny an-toerana. Araka ny angom-baovao azo dia niaraka nisotrosotro teny amin’iny faritra iny ireo mpinamana vitsivitsy. Olona samy mipetraka eny amin’iny faritra manodidina avy izy ireo ka samy mifankafantatra. Tampoka teo anefa, niha-niakatra ny feo. Mazava ho azy fa samy efa navarimbarin’ny alikaola avokoa ka mora tohina ny sasany. Rehefa niha-niakatra mafimafy anefa ny fifamaliana dia niezaka niala ilay toerana ny iray tamin’ireo mpifamaly, angamba mba hoe hampilamina ny toe-draharaha. Tsy izay anefa no nitranga. Nony lasa lavidavitra dia nenjehin’ilay nifamaly taminy ity farany ary avy hatrany dia daroka mandrivorivo no nihatra teny amin’ny hatony. Tsy vitan’izay fa mbola nobataina ary nakapoka tamin’ny tany. Nandriaka ny rà ary tsy nahatsiaro tena intsony ilay io. Nihakazakaza namonjy azy ireo namany hafa ary avy hatrany dia nitondra azy tany amin’ny hôpitaly. Saingy indrisy fa tsy avotra intsony teny an-dalana ny ainy. Ilay namono kosa niezaka namonjy ny tokantranony. Tetsy an-danin’izay anefa, tezitra tamin’ity farany ireo nandre io vaovao ratsy io, ary niomana ny hamaly faty sy hanao fitsaram-bahoaka ary nirohotra nakany an-tranon’ilay namono. Ity farany mantsy, raha ny fantatra, dia efa malaza mpisetrasetra loatra eny amin’iny faritra iny. Soa ihany anefa efa nisy nampandre haingana talohan’io ny mpitandro filaminana ary tonga ara-potoana teny an-toerana. Efa noraisin’izy ireo an-tanana ny fisamborana ary ny fitazomana ity nahavanon-doza. Efa mandeha ihany koa ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.
m.L